Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 12:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 18 000 lahy izay notsongaina anarana mba handeha hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Tamin’ny taranak’Isakara dia roanjato no lehibeny; samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahafantatra izay tokony hataon’ny Israely, ary ny rahalahiny rehetra dia nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 18 000 lahy izay notsongaina anarana mba handeha hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Avy tamin’ny taranak’i Isakara izay nahafantatra ny andro hahalalana ny tokony hataon’i Israely, 200 lahy samy lohany, mbamin’ny rahalahiny rehetra ambany fahefany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary tamin’ny taranak’Isakara dia roan-jato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay tokony hataon’ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Tamin’ny taranak’Isakara dia roanjato no lehibeny; samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahafantatra izay tokony hataon’ny Israely, ary ny rahalahiny rehetra dia nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 12:32
15 Rohy Ifampitohizana  

I Jisakara dia toy ny boriky matanjaka, mandry eo anivon’ny valany izay misy fefy roa sosona.


Tamin’ny taranak’i Efraîma, dia nisy 20 800 lahy, samy maherifo sady nalaza teo amin’ny fianakaviany avy.


maro vady aman-janaka ny taranany, isam-pianakaviany, ka lehilahy mahery zatra miantafika 36 000 no nananany.


Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan’ny amperôra dia nalamina teo anatrehan’izay rehetra nahay lalàna sy fitsarana.


Mitandrim-pitondrantena ny malina satria hendry; Verin’ny hadalany kosa ny olona adala.


Aleo hendry toy izay matanjaka; ary aleo manam-pahalalana toy izay mihetraketraka.


Ny fahendrena dia mahatarika ny hendry mihoatra noho ny mpitondra folo mifehy tanàna iray.


Mandaitra kokoa noho ny fitaovam-piadiana ny fahendrena, saingy ny olona iray mitavozavoza no mahasimba ny soa be avy aminy.


Hiaina am-pahatokiana ianao, ry vahoakan’ny Tompo. Ny fahendrena amam-pahalalana no harem-pamonjena ho anao; ary ny fanajana ny TOMPO no raki-tsarobidy ho anao.


Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: «Mihainoa, ianareo ry fokon’i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!


Ary nony maraina ny andro, dia hoy ianareo hoe: «Ho ratsy ny andro anio fa mena antitra ny lanitra.» Hainareo vinavinaina ny toetoetry ny lanitra, ka tsy hainareo vinavinaina ve ireo famantarana momba izao andro diavintsika izao?]


Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.


Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra