Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
1Tantara 11:22 - Baiboly Katolika I Banaiasa zanak’i Jôiadà zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela. Izy no namely ireo Ariela roalahy avy any Moaba. Indray andro nisy oram-panala izay, dia nidina izy ka namely ilay liona tao amin’ny lavaka famorian-drano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba. Izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ny lavaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny. DIEM PROTESTANTA I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià: izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy avy any Môaba; izy koa ilay nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià: izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy avy any Môaba; izy koa ilay nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Benaia, zanak’i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ny lavaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny. Malagasy Bible Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny. La Bible en Malgache Ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba. Izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ny lavaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny. |
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
I Jôaba no komandin’ny tafika tamin’i Israely rehetra; i Banaiasa zanak’i Jôiadà no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina,
i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.
Dia nandeha i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany, ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa mbamin’ny Keretianina sy ny Feletianina; nasainy nitaingina ny mole vavin’i Davida mpanjaka i Salômôna, dia nentiny nankany Gihôna.
Tsy mba nety nikambana tamin’i Adoniasa kosa i Sadôka mpisorona, i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, i Natàna mpaminany, i Semeià, i Reia, mbamin’ny lehilahy maherin’i Davida.
Nony tonga tao amin’ny tabernaklan’i Iaveh i Banaiasa, dia nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: ‹Mivoaha ianao.› » Fa hoy ny navaliny: «Tsia, fa ho faty eto aho.» Dia nakarin’i Banaiasa tamin’ny mpanjaka izany teny izany, nataony hoe: «Izany no teny nataon’i Jôaba, ary izany no navaliny ahy.»
Amin’izy telopolo lahy faharoa, dia izy no malaza indrindra, ka lehiben’izy ireo, nefa tsy nahomby an’irerỳ telopolo lahy voalohany izy.
Tamin’ny Gadita, nisy lehilahy mahery nanatona an’i Davida tany amin’ny toerana mimanda, tany an’efitra; mpiantafika zatra ady, mahay mampiasa ampinga aman-defona, miendriky ny liona, faingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra.
Ny tanàna izay ao amin’ny fara sisin’ny fokon-taranak’i Jodà, manolotra ny faritanin’i Edôma, ny tao amin’i Negeba, dia i Kabseela, i Edera, i Jagora,