Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 6:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ireo soavaly manja koa niroso amin’ny lalany; fa samy maimay izy rehetra ireo handeha hitety ny tany. Dia hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana mitety ny tany ianareo. Ka dia lasa nitety ny tany ireto kalesy ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Matanjaka izy ireo ary miroso ka mitady handeha hivezivezy eny amin’ny tany; dia hoy NY TOMPO: Mandehana ianareo, miveziveze eny amin’ny tany! Dia nandeha nivezivezy teny amin’ny tany ireo kalesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ireo soavaly manja koa niroso amin’ny lalany; fa samy maimay izy rehetra ireo handeha hitety ny tany. Dia hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana mitety ny tany ianareo. Ka dia lasa nitety ny tany ireto kalesy ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nony nivoaka ireo mavitrika, dia nangataka hiainga mba hitety ny tany; ka hoy ny Anjely tamin’ireo: «Mandehana mitety ny tany»; dia nitety ny tany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin’ny tany; dia hoy izy: Mandehana hianareo, mivoivoiza eny amin’ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 6:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Miaingà ka mandehana mamakivaky ny tany amin’ny sakany sy lavany, fa homeko anao izy.


Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.


Dia niriko ho fantatra mazava ny amin’ilay biby fahefatra izay hafa noho ny rehetra sady nahatsiravina loatra fa nanana nify vy sy hoho halimo izay nihinanany sy namiravirany, ka ny tongony no nanosihosy izay sisa tsy laniny;


Ary ny tandroka folo dia mampiseho mpanjaka folo izay hifandimby hifehy io fanjakana io; ary hisy mpanjaka iray hafa noho ireo teo alohany hitsangana manaraka an’ireo, rehefa avy handresy mpanjaka telo.


Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon’ny hazo mirta dia niteny hoe: «Nirahin’ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.»


Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra