Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 6:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Niroso nankamin’ny faritany avaratra ny kalesy tarihin’ireo soavaly mainty; niroso nankamin’ny faritany andrefana ireo soavaly fotsy ary niroso nankamin’ny faritany atsimo ireo soavaly sada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ny kalesy misy ny soavaly mainty dia miroso mankany amin’ny tany avaratra; ny misy ny soavaly fotsy dia miroso manaraka azy; ny misy ny sada dia mivoaka mankany amin’ny tany atsimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Niroso nankamin’ny faritany avaratra ny kalesy tarihin’ireo soavaly mainty; niroso nankamin’ny faritany andrefana ireo soavaly fotsy ary niroso nankamin’ny faritany atsimo ireo soavaly sada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ny kalesy nisy ireo soavaly mainty no nivoaka ho amin’ny tany avaratra; ireto fotsy no nivoaka nanaraka ireo, ary ireto sada no nivoaka ho amin’ny tany atsimo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin’ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin’ny tany atsimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 6:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakîn’ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin’ny boriky sy eny ambony trafon’ny rameva hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.


Hoy Aho amin’ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›, ary amin’ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!› Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany,


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Atsangano tandrifin’i Tsiôna ny faneva, ary mandosira ka aza miato; fa hahatonga loza amin’antambo lehibe avy any avaratra ny Tompo.


Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.


Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hanao hobim-pandresena noho ny amin’i Babilôna, rehefa tonga avy any avaratra ireo tsy maintsy handrava azy.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.


Mandosira faingana hiala ao Jerosalema, ianareo Benjaminita, mba hitady fialofana any an-kafa. Tsofy ao Tekôa ny anjomara, manaova tsangan’afo ao Bety-Kerèma, satria misy loza sy fandringanana goavana mipoitra avy any avaratra.


Koa izao no hitako: tafio-drivotra tonga avy any avaratra, nitondra rahona matevina sady namoaka tselatra. Voahodidina hazavana ilay rahona, ary ny afovoany izay mivaivay dia nanjelanjelatra toy ny vy mangirana.


«Ary amin’ny fotoana farany dia hanoto azy indray ny mpanjaka ao atsimo, nefa ny mpanjaka ao avaratra dia hipaoka azy toy tafio-drivotra miaraka amin-kalesy sy mpitaingi-tsoavaly ary sambo marobe; ary hiditra amin’ny tany isan-karazany izy ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky.


Aorian’izany kosa io mpanjaka ao avaratra io dia hankany amin’ilay mpanjaka ao atsimo, ary dia hiverina amin’ny taniny ihany.


Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahatelo, dia reko ny zava-miaina fahatelo nanao hoe: Avia! Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty; ary ilay nitaingina azy dia nitana mizàna teny an-tanany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra