Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 6:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia hoy izy namaly ahy: –Ireo kalesy efatra ireo dia hiroso ho any amin’ny vazan-tany efatra rehefa avy niseho teo anatrehan’ilay Tompon’ny tany tontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary ilay anjely namaly ahy hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay miroso rehefa avy nijoro teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia hoy izy namaly ahy: –Ireo kalesy efatra ireo dia hiroso ho any amin’ny vazan-tany efatra rehefa avy niseho teo anatrehan’ilay Tompon’ny tany tontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ary namaly ahy ny Anjely, ka nanao hoe: «Ireo no rivotra efatry ny lanitra tonga avy nitsangana teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary ilay anjely namaly ahy hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay miroso rehefa avy nijoro teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 6:5
29 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO hoe: –Mivoaha tao ka mitsangàna eo an-tendrombohitra eo anatrehako fa handalo Aho. Dia nisy rivotra nifofofofo mafy izay nampitresaka ny tendrombohitra ary nanamontsana ny vatolampy teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy tao amin’izany rivotra izany ny TOMPO. Rehefa nitsahatra ny rivotra, dia nisy horohorontany; nefa tsy tao amin’ny horohorontany ny TOMPO.


Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.


Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin’ny TOMPO ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna.


ry afo sy havandra, ry orampanala sy zavona, ry rivotra mahery izay mpankatò ny teniny;


Kanefa nahoana, ry vohi-maro tendro, no ialonanao ilay vohitra voafidy, voafidin’Andriamanitra mba honenany? Eny, hitoetra ao mandrakizay ny TOMPO!


Fa ilay mpanao anao no ho vadinao; ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao, dia ilay antsoina hoe «Andriamanitry ny tany tontolo.»


Avy any atsimo sy avaratra ary avy any atsinanana sy andrefana no handefasako ny rivotra efatra hamelezana an’i Helama. Haeliko any amin’ny vazantany rehetra izy, ka tsy hisy firenena izay tsy ahitana Helamita voaroaka.


Nikopaka elatra ireo kerobima, dia niara-nihetsika taminy koa ireo kodiarana, ary namirapiratra teo amboniny ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely.


Dia hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin’ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin’ireo faty ireo mba ho velona indray izy.›


Saingy rehefa tafajoro tsara izy, dia hopotehina ny fanjakany ka hozaraina efatra araka ny vazan-tany efatra, fa tsy hodimbiasan’ny taranany; hongotana ka ho lasan’olon-kafa ny fahefà-manjaka, nefa tsy hanan-kery tahaka ny fanapahan’ilay mpanjaka maherifo.


Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.


«Hitako tamin’ny fahitana tamin’ny alina, fa indro ny rivotra avy amin’ny vazan-tany efatra nibosesika hampisamboaravoara ny ranomasina midadasika.


Dia nohazavainy tamiko àry fa ireo zavatra ireo dia manambara ny olona roa voahosotra tamin’ny diloilo mba hanompo ilay Tompon’ny tany tontolo.


Mbola nanopy maso indray aho, ka indreo hitako nisy kalesy efatra nipoitra avy teo anelanelan’ny tendrombohitra varahina roa.


–Tandremo fandrao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza. Eny, lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireny, any an-danitra, dia manatrika lalandava ny Raiko Izay any an-danitra.


Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin’ny Zanak’olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.


Dia novalian’ny anjely hoe: –Izaho no Gabriela, ilay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra mba hanompo Azy; nirahiny aho hiteny aminao sy hanambara aminao izany hafatra mahafaly izany.


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.


Sady izao no voalazan’Andriamanitra momba ny anjely: «Andriamanitra dia nanao ny anjeliny ho rivotra ary ny mpanompony ho lelafo.»


Indro ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ilay Tompon’ny tany rehetra handroso eo alohanareo ao Jôrdàna.


Taorian’izany, dia hitako nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra sady nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka na amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo iray akory aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra