Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 3:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia nanontany i Bôhaza hoe: –Fa iza moa ianao? Dia novaliany hoe: –Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa Ravehivavy: Rota mpanompovavinao aho. Mba rakofy ny lambanao ny mpanompovavinao, fa havana mahavotra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia nanontany i Bôhaza hoe: –Fa iza moa ianao? Dia novaliany hoe: –Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Dia hoy izy: «Iza izato?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no Rota ankizy vavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizy vavinao, fa havana mahazo manavotra ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa Ravehivavy: Rota mpanompovavinao aho. Mba rakofy ny lambanao ny mpanompovavinao, fa havana mahavotra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 3:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.


Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.


Dia hoy i Bôhaza hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.


Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.


Ary nony tamin’ny sasak’alina, dia taitra ralehilahy ary niondrika hijery, ka gaga dia gaga nahita vehivavy iray mandry eo an-tongony.


Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy ny navaliny hoe: –Izaho no hanavotra!


Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.


Dia nitsangana i Abigaîla ka niankohoka tamin’ny tany ary niteny hoe: –Ho mpanompon’i Davida aho, ka vonona hanasa ny tongotr’ireo mpanompony toy ny andevo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra