Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 3:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia hoy i Bôhaza hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia hoy i Bôhaza hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia hoy izy: Hotahin’i Jehvoah anie hianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ny ato aoriana hianao noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 3:10
8 Rohy Ifampitohizana  

no nitenenany hoe: –Mandrosoa ao an-trano, ry ilay notahîn’ny TOMPO. Nahoana ianao no mijanona etỳ ivelany? Izaho anie efa nanomana ny trano sy namboatra toerana ho an’ny rameva e!


dia hoy i Nahômỳ tamin’ireto vinantovaviny: –Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.


Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe: –Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin’ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.


Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.


Taoriana kely dia indro tonga i Bôhaza avy tany Betlehema, ka niarahaba ny mpijinja hoe: –Hiaraka aminareo anie ny TOMPO! Dia novalian’ireo hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao!


Dia nanontany i Bôhaza hoe: –Fa iza moa ianao? Dia novaliany hoe: –Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.


Rehefa tonga teo amin’i Saoly i Samoela, dia nilazany hoe: –Hitahy anao anie ny TOMPO! Efa narahiko ny tenin’ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra