Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Hataoko ahoana anefa no fanozona izay tsy mba nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana koa no fandrahona izay tsy mba norahonan’ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Hataoko ahoana no ho fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no ho tezitra amin’izay tsy nitezeran’NY TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Hataoko ahoana anefa no fanozona izay tsy mba nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana koa no fandrahona izay tsy mba norahonan’ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra? Hataoko ahoana no fitezitra raha tsy mitezitra i Iaveh?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’i Jehovah?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Hataoko ahoana no ho fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no ho tezitra amin’izay tsy nitezeran’NY TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Manidina tsy tafapetraka ny fody sy ny sindintsidina; toy izany koa ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra akory izany.


Koa hataoko tsy misy vokany ny famantarana vitan’ny mpimasy ary hataoko mirediredy ny mpisikidy; hataoko mianòtra ny olon-kendry ka hody fahadalana ny fahalalàny.


Ary hoy i Andriamanitra tamin’i Balahama: –Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahîko io.


Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»


Efa nekeko ny hitsodrano ity vahoaka ity; ary efa nitsodrano azy rahateo ny TOMPO ka tsy afaka hanova na inona na inona aho.


Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: «I Balàka, mpanjakan’i Môaba, dia nampaka ahy avy any Siria, avy any amin’ny tendrombohitra amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany. Avia, hoy izy tamiko, hanozona ny taranak’i Jakôba; avia handrahona ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra