Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ireto avy no horaisinareo amin’ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon’ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Izao no ho anao amin’ireo zavatra masina indrindra, avy amin’ny fanatitra izay tsy nolevonina tamin’ny afo: Ny fanatitra rehetra izay atolony ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ho fanatitra noho ny ota ary ho fanati-panonerana izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ireo zanakao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ireto avy no horaisinareo amin’ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon’ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izao no ho anjaranao amin’ny zava-masina indrindra, ialan’izay holevonin’ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho Ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Izao no ho anao amin’ny zavatra masina indrindra, avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Izao no ho anao amin'ny zavatra masina indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Izao no ho anao amin’ireo zavatra masina indrindra, avy amin’ny fanatitra izay tsy nolevonina tamin’ny afo: Ny fanatitra rehetra izay atolony ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ho fanatitra noho ny ota ary ho fanati-panonerana izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ireo zanakao izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:9
24 Rohy Ifampitohizana  

Ny vola narotsaky ny olona ho solon’ny sorom-panonerana na sorona fanalana ny ota dia tsy mba natolotra ho an’ny tranon’ny TOMPO, fa an’ny mpisorona kosa izany.


Isan-taona koa no hanateranay ao an-tranon’ny TOMPO ireo voaloham-bokatry ny taninay sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra fihinam-boa;


Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ireo efitrano avaratra sy efitrano atsimo izay manoloana ny kianja ireo dia efitrano voatokana. Ao amin’ireo efitrano ireo manko ny mpisorona izay manatona ny TOMPO no mihinana ny zava-masina indrindra. Eny, voatokana io faritra io, ka ao no ametrahana ny zava-masina indrindra, dia ireo fanatitra vokatry ny tany sy ireo biby natao sorona ho fanalana ny ota sy ho fanonerana.


Ny fanatitra vokatry ny tany sy ny biby natolotra ho sorona fanalana ny ota na ho sorom-panonerana no hohaniny. Ny zavatra rehetra natokana ho Ahy amin’i Israely, dia ho an’ny mpisorona.


–Zava-masina dia masina ny hena avy amina sorona fanalana ny ota, ka nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny faritra voatokana hihinanana azy? Efa nomen’ny TOMPO anareo izany mba hahazoanareo manafaka ny fahotana vitan’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo sy manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho azy eo anatrehan’ny Tompo.


Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin’ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin’ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota no fanao amin’ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran’ny mpisorona izany.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Fa raha misy mpanompo novidin’ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’izany ihany izy; toy izany koa, ny mpanompo izay teraka tao an-tranon’ny mpisorona, dia mahazo mihinana izay fihinany.


Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio ilay mpisorona; ka izay izy vao mahazo mihinana amin’ny zava-masina, satria izany no fihinany.


«Raha manampahefana no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO Andriamanitra momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.


«Raha olona iray anisan’ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.


«Raha misy olona mandre ny antso avo ataon’ny fampanoavana ho an’ireo vavolombelona ka ny tenany dia vavolombelona nahita na nahalala nefa tsy manambara, dia manota izy ary itambesaran’ny heloka.


Ary hitondra fanonerana amin’ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon’ny mpisorona amin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.


Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO


ka ilay mpisorona manolotra azy ho fanalana ny ota no hihinana azy eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana;


«Izao no lalàna momba ny sorom-panonerana: «Zava-masina dia masina izany,


Ny lehilahy rehetra anisan’ny mpisorona no mahazo mihinana ny hena; eo amina faritra voatokana no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina izany.


Sahala amin’ny sorona fanalana ny ota ihany ny sorom-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’izy roa: ho an’ilay mpisorona manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ny henan-tsorona.


ka hataonareo sakafo. Ny lehilahy rehetra ao amin’ny ankohonanareo ihany no mahazo mihinana azy satria sakafo masina izany.


Ny Levita mpisorona sy ny hafa rehetra anisan’ny fokon’i Levỳ dia tsy mba hanana zaratany na anjara miaraka amin’ny Israelita namany; fa ny ho fihinany dia ny sorona sy anjara atolotra ho an’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra