Nomery 18:8 - DIEM PROTESTANTA8 Niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Indro efa nampiandraiketiko anao ny fanatitra masina rehetra aterin’ny Israelita ho Ahy; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Arona hoe: Indro Aho efa nanome ho anjaranao ny fitandremana ireo fanomezana ho Ahy, dia ireo zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anjaranao sy ireo zanakao izany ka ho lalàna maharitra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Indro efa nampiandraiketiko anao ny fanatitra masina rehetra aterin’ny Israelita ho Ahy; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao izany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Indro omeko anao ny fizakana ny zavatra rehetra voaavaka ho Ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin’ny zanak’i Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Ary Jehovah niteny tamin’i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin’ny Zanak’Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Ary Jehovah niteny tamin'i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Arona hoe: Indro Aho efa nanome ho anjaranao ny fitandremana ireo fanomezana ho Ahy, dia ireo zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anjaranao sy ireo zanakao izany ka ho lalàna maharitra. Jereo ny toko |
Ireto avy no horaisinareo amin’ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon’ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,
Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.
ary samia ianareo miteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo hoe: «Efa navoakako niala ny tranoko, TOMPO ô, ny zavatra voatokana ho Anao ka nomeko ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena, araka ny didy manontolo izay nampitainao tamiko; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao ny amin’izany.
Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin’i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy no mampianatra anareo ny amin’ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin’i Kristy ianareo, araka ny nampianaran’ny Fanahy Masina anareo.