Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:10 - DIEM PROTESTANTA

10 ka hataonareo sakafo. Ny lehilahy rehetra ao amin’ny ankohonanareo ihany no mahazo mihinana azy satria sakafo masina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Amin’ireo zavatra masina indrindra no hihinananareo; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy; ho masina ho anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 ka hataonareo sakafo. Ny lehilahy rehetra ao amin’ny ankohonanareo ihany no mahazo mihinana azy satria sakafo masina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Amin’ny toerana masina indrindra no hihinananareo azy, ny lehilahy rehetra no mihinana azy; masina ho anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Toy ny fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Toy ny fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Amin’ireo zavatra masina indrindra no hihinananareo; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy; ho masina ho anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ireo efitrano avaratra sy efitrano atsimo izay manoloana ny kianja ireo dia efitrano voatokana. Ao amin’ireo efitrano ireo manko ny mpisorona izay manatona ny TOMPO no mihinana ny zava-masina indrindra. Eny, voatokana io faritra io, ka ao no ametrahana ny zava-masina indrindra, dia ireo fanatitra vokatry ny tany sy ireo biby natao sorona ho fanalana ny ota sy ho fanonerana.


Eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany ihany no hihinananareo azy, fa anjaranao sy ny zanakao izany ambiny avy amin’ny fanatitra ho an’ny TOMPO izany araka ny baiko nomeny ahy.


–Zava-masina dia masina ny hena avy amina sorona fanalana ny ota, ka nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny faritra voatokana hihinanana azy? Efa nomen’ny TOMPO anareo izany mba hahazoanareo manafaka ny fahotana vitan’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo sy manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho azy eo anatrehan’ny Tompo.


Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin’ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin’ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota no fanao amin’ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran’ny mpisorona izany.


Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.


ny fanatitra rehetra avy amina mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy misy tavela hohanina.»


mba hamepetra an’i Aharôna sy ireo zanany lahy hoe: «Izao no lalàna momba ny sorona fanalana ny ota: «Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo, dia eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO, no famonoana ny sorona fanalana ny ota. Zava-masina dia masina izany,


Ny lehilahy rehetra anisan’ny mpisorona no mahazo mihinana ny hena; eo amina faritra voatokana no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina izany.


Ary ireto koa dia ho anareo: ireo ampahany nalana tamin’ny fanomezan’ny Israelita, dia ny fanatitra rehetra ahevaheva; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao lahy sy vavy izany. Izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanareo dia mahazo mihinana izany.


Ireto avy no horaisinareo amin’ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon’ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra