Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ento miaraka aminao koa ireo levita mpiray foko aminao, fa izy ireo no ho mpanampy anao sy ho mpanomponao rehefa mankeo amin’ny Tranolay misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ianao sy ny taranakao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary ireo rahalahinao avy amin’ny fokon’i Levy izay fokon’ny razanao koa dia ento miaraka aminao mba hikambana aminao izy ireo ka hanompo anao; fa ianao sy ireo zanakao no ho eo anoloan’ny tranolain’ny Vavolombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ento miaraka aminao koa ireo levita mpiray foko aminao, fa izy ireo no ho mpanampy anao sy ho mpanomponao rehefa mankeo amin’ny Tranolay misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ianao sy ny taranakao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon’i Levỳ, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rehefa mby anoloan’ny trano lain’ny vavolombelona ianao sy ny zanakao miaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary ny rahalahinao avy amin ny firenen’i Levy izay firenen’ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa hianao sy ny zanakao ho eo anoloan’ny trano-lain’ny Vavolombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary ireo rahalahinao avy amin’ny fokon’i Levy izay fokon’ny razanao koa dia ento miaraka aminao mba hikambana aminao izy ireo ka hanompo anao; fa ianao sy ireo zanakao no ho eo anoloan’ny tranolain’ny Vavolombelona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Mbola bevohòka indray izy ka tera-dahy fanintelony, dia nanao hoe: –Ankehitriny dia hifikitra amiko ny vadiko, satria efa niteraka telo lahy ho azy aho. Noho izany dia nataony hoe Levỳ ny anarany.


Samy naka toerana toy ny mahazatra izy, araka ny lalànan’i Mosesy olon’Andriamanitra; ary nararaky ny mpisorona teo ambony alitara ny ra izay natolotry ny levita azy.


Hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina onenako izy ka hiambina ireo vavahadin’ny tempoly ary hanatanteraka asa tsotsotra isan-karazany ao an-tempoly. Hisolo ny olona izy hamono ireo biby hatao sorona dorana manontolo sy sorona hafa ka hijoro eo anoloan’ny vahoaka mba hanompo azy.


«Ireo Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, dia nitandrina kosa ny anjara raharahany momba ny Toeramasina onenako, na dia nivily niala tamiko aza ny Israelita. Noho izany, dia ireo ihany no hahazo manatona hanompo Ahy Tompo sy hanolotra amiko ny sabora sy ny ran’ny sorona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan’ny fanekempihavanako amin’ny levita.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»


Nitangorona nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin’ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan’ny voninahitry ny TOMPO.


Ho mpanampy anareo amin’ny fanompoana rehetra sy ny asa hatao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy. Ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.


Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»


Rehefa izany vao afaka nandeha nanao ny asa fanompoany tao amin’ny Tranolay fihaonana teo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita. Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy momba ny Levita no natao taminy.


Rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia ao amin’ny tranolay voalohany no idiran’ny mpisorona mandrakariva hanefa ny fanompoam-pivavahana;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra