Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 17:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izany dia fahatsiarovana ho an’ny Israelita mba tsy ho olon-kafa ankoatra ny taranak’i Aharôna no hanatona handoro ny vovo-javamanitra eo anatrehan’ny TOMPO; izay sahy hanao izany dia hiharan’ny nanjo an’i Kôra sy ny namany, araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’i Aharôna tamin’ny alalan’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely mba tsy hisy olon-kafa, afa-tsy ny taranak’i Arona ihany, no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO, fandrao ho tonga tahaka an’i Kora sy ireo antokony izy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izany dia fahatsiarovana ho an’ny Israelita mba tsy ho olon-kafa ankoatra ny taranak’i Aharôna no hanatona handoro ny vovo-javamanitra eo anatrehan’ny TOMPO; izay sahy hanao izany dia hiharan’ny nanjo an’i Kôra sy ny namany, araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’i Aharôna tamin’ny alalan’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan’ny taranak’i Aarôna handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan’i Iaveh, ka dia ho tahaka an’i Kôre sy ny tariny, araka izay nolazain’i Iaveh taminy, tamin’ny alalan’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely, mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’i Jehovah; fandrao ho tahaka an’i Kora sy ny namany izy,–dia araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely mba tsy hisy olon-kafa, afa-tsy ny taranak’i Arona ihany, no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO, fandrao ho tonga tahaka an’i Kora sy ireo antokony izy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 17:5
21 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an’ny tenany. Nivadika tamin’ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin’ny alitara fanaovana izany.


Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana.


Kanjo nirahiny i Mosesy mpanompony sy i Aharôna ilay voafidiny:


Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.


Hoy ny Tompo hoe: «Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny heloka vitan’ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehàn’ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.


Amin’ny andro ho avy, dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan’i Jakôba ary hamony hivelatra indray i Israely. ka hameno izao tontolo izao ny voany.


Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy. Ho lò avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.


ary handoro ny tranonao. Hotanterahiny eo imason’ny vehivavy marobe ny didim-pitsarana famaizana anao. Hofaranako hatreo ny fiainam-pijangajanganao ka tsy handoa tamby amin’ny lehilahy intsony ianao.


Hatsahatro ny filibànao amam-pijangajangana izay natombokao tany Ejipta. Tsy hangata-maso olona intsony ianao ary tsy hahatsiaro ny Ejiptianina intsony.›


Izaho TOMPO dia hanasitrana an’ilay Israely amin’ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan’ny fahatezerako izy.


Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.


Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.


Izany ange ka ikomianao sy ny namanao rehetra amin’ny TOMPO, fa tsy dia amin’i Aharôna loatra akory no imonomononanareo.


ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.


–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy,


Nony maraina dia nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana israelita manontolo ka nanao hoe: –Ianareo no nahafaty ny vahoakan’ny TOMPO.


Dia nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharôna.


Aoka ianareo tsy himonomonona toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty naripak’ilay anjely mpandringana.


dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra