Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 17:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nony maraina dia nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana israelita manontolo ka nanao hoe: –Ianareo no nahafaty ny vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka niteny hoe: Ianareo no nahafaty ny olon’NY TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nony maraina dia nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana israelita manontolo ka nanao hoe: –Ianareo no nahafaty ny vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra nanao hoe: «Ianareo efa nahafaty ny vahoakan’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka niteny hoe: Ianareo no nahafaty ny olon’NY TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 17:6
5 Rohy Ifampitohizana  

«Ary ianao, ry Ezekiela, dia hitazona tsara eny an-tananao ireo tapa-kazo izay nasianao soratra mba ho hitan’ny besinimaro.


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe: –Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra.


Koa aza mikomy amin’ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin’io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.


Izany dia fahatsiarovana ho an’ny Israelita mba tsy ho olon-kafa ankoatra ny taranak’i Aharôna no hanatona handoro ny vovo-javamanitra eo anatrehan’ny TOMPO; izay sahy hanao izany dia hiharan’ny nanjo an’i Kôra sy ny namany, araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’i Aharôna tamin’ny alalan’i Mosesy.


Nitangorona nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin’ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan’ny voninahitry ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra