Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 17:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Nitangorona nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin’ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan’ny voninahitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary raha niangona nanohitra an’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana dia nitodika nijery ny tranolay fihaonana izy roa lahy ka indro, nanarona azy ny rahona ary niseho ny voninahitry NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Nitangorona nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin’ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan’ny voninahitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa raha ilay nivory hanohitra an’i Môizy sy Aarôna iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna, ka indro fa nanarona an’io ny rahona ary ny voninahitr’i Iaveh niseho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary raha niangona hanome tsiny an’i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary raha niangona nanohitra an’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana dia nitodika nijery ny tranolay fihaonana* izy roa lahy ka indro, nanarona azy ny rahona ary niseho ny voninahitry NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 17:7
9 Rohy Ifampitohizana  

Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»


Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.


Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.


Nony maraina dia nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana israelita manontolo ka nanao hoe: –Ianareo no nahafaty ny vahoakan’ny TOMPO.


Ento miaraka aminao koa ireo levita mpiray foko aminao, fa izy ireo no ho mpanampy anao sy ho mpanomponao rehefa mankeo amin’ny Tranolay misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ianao sy ny taranakao;


Tamin’ny andro nananganana ny Fonena-masina, dia nisy rahona nandrakotra ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Amin’ny hariva izy io dia mazava toy ny afo eo ambonin’ny Tranolay mandra-maraina.


Ny tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana kosa dia nananan’ny razantsika fony ireo tao an-taniefitra. Namboarina araka ny fepetra voalazan’Andriamanitra tamin’i Mosesy rahateo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra