Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo izay mitomany amiko hoe: «Omeo hena izahay hohaninay»?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo izay mitomany amiko hoe: «Omeo hena izahay hohaninay»?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:13
9 Rohy Ifampitohizana  

fa hoy kosa ilay mpanompony: –Fomba ahoana no hamahanako olona zato amin’ireo? Ary hoy indray i Elisà: –Zarao amin’ny olona rehetra ireo hohaniny, satria izao no lazain’ny TOMPO: «Hihinana sahaza ny olona ary mbola hisy aza sisa tsy lany.»


Fa ny dekà, izay nianteheran’ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisà: –Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.


fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »


Dia hoy i Mosesy hoe: –Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!»


Fa na dia ny ondry aman’osy ary ny ombiny rehetra aza no hovonoina ho azy ireo, dia tsy ho ampy azy izany. Na ny trondro rehetra any an-dranomasina aza no haratoina ho azy ireo, dia mbola tsy ho ampy azy koa.


Dia hoy ny mpianatra taminy: –Aiza no hahitantsika mofo hahavoky vahoaka be toy izao atỳ an-taniefitra atỳ?


Dia hoy ny navalin’ny mpianatra Azy: –Aiza no hahitana mofo hahavoky an’ireo olona ireo atỳ an-taniefitra atỳ.


Fa hoy ny navalin’i Jesoa azy: –Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan’izay mino!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra