Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Moa ve izaho no torontoronina an’ireo vahoaka rehetra ireo! Sa izaho ve no niteraka azy no ilazanao hoe: «Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron’ny mpitaiza zaza izy, mandra-pahatonga azy any amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razany fa homena azy».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Izaho va no torontoronina an’ity firenena iray manontolo ity? Ary izaho va no niteraka azy no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny lehilahy mpitaiza mitondra zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Moa ve izaho no torontoronina an’ireo vahoaka rehetra ireo! Sa izaho ve no niteraka azy no ilazanao hoe: «Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron’ny mpitaiza zaza izy, mandra-pahatonga azy any amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razany fa homena azy».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Izaho va no torontoronina an’ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Izaho va no torontoronina an’ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy–tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono – ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Izaho va no torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Izaho va no torontoronina an’ity firenena iray manontolo ity? Ary izaho va no niteraka azy no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny lehilahy mpitaiza mitondra zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:12
20 Rohy Ifampitohizana  

fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao.


Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon’ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an’ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.


Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.


Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Nanan-taranaka fitopolo lahy izay nipetraka tany Samaria i Ahaba. Fa nanoratra taratasy i Jehò mba halefa any Samaria ho an’ireo lehibe mpifehy ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe ny taranak’i Ahaba. Ka hoy i Jehò tamin’ny taratasiny:


Dia nampitondra izao valin-teny izao ho an’i Jehò ilay lehiben’ny tandapa sy ilay mpanapaka ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe nanao hoe: «Mpanomponao izahay ka vonon-kanao izay rehetra andidianao anay; ary tsy hanangana olona ho mpanjaka izahay, koa ataovy izay sitrakao.»


Ary hoy koa i Mosesy hoe: –Rehefa hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita ianareo, ka homeny anareo ny tany araka izay efa nianianany taminareo sy ny razanareo,


Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.


Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.


Hoentiko any amin’ny tany izay efa nianianako tamin’ny tsangan-tanana fa homeko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»


Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»


Fa ny TOMPO kosa mamaly hoe: Moa manadino ny zanany minono ve ny vehivavy na tsy tia ny zaza naloaky ny kibony intsony? Na dia mety manadino aza izy, Izaho kosa tsy mba hanadino anao.


Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.


Mpiandry tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa.


Izaho no Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry.


Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin’izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin’i Kristy Jesoa tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly.


Rey anaka, mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza indray aho, mandra-pahatongan’ny endrik’i Kristy ho voasokitra ao anatinareo.


sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin’ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran’ny olona ny zanany ianareo, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin’ity toerana ity.»


na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin’i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra