Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:54 - DIEM PROTESTANTA

54 Dia nantsoin’i Abimelèka faingana ilay tovolahy mpitondra ny fiadiany ary nodidiany hoe: –Raiso ny sabatrao ka vonoy aho, fandrao holazain’ny olona hoe vehivavy no nahafaty ahy. Dia notrobaran’ilay tovolahy tamin’ny sabatra i Abimelèka ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

54 Dia nantsoin’i Abimeleka haingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao ka vonoy aho mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo ka maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

54 Dia nantsoin’i Abimelèka faingana ilay tovolahy mpitondra ny fiadiany ary nodidiany hoe: –Raiso ny sabatrao ka vonoy aho, fandrao holazain’ny olona hoe vehivavy no nahafaty ahy. Dia notrobaran’ilay tovolahy tamin’ny sabatra i Abimelèka ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

54 Nantsoiny faingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: «Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy». Dia notrabaran’ilay zatovo izy, ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

54 Dia nantsoin’i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

54 Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

54 Dia nantsoin’i Abimeleka haingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao ka vonoy aho mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo ka maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:54
17 Rohy Ifampitohizana  

Nohatoniko izy ary novonoiko ho faty, satria fantatro fa tsy ho velona amin’ny ratra nahazo azy izy. Koa nalaiko ny satroboninahitra teny an-dohany sy ny haba teny an-tsandriny ka ireto nentiko atỳ aminao ireto, tompoko.


Dia niherika izy ka nahita ahy; nantsoiny aho, ary hoy aho taminy: «Inty aho, tompoko!»


Koa nasainy nanatona aho mba hamono azy ho faty satria naratra mafy izy na dia mbola mahatsiaro tena tsara aza.


i Tselèka, ilay Hamônita; i Naharay avy any Beerôta; mpitondra ny fiadian’i Jôaba zanakalahin’i Tserôià;


Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany: –Raiso ny sabatrao, ka trobaro aho, fandrao ho avy ireo mpanompo sampy ireo ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain’i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.


Ary rehefa hitan’ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany fa maty i Saoly, dia mba nianjerany koa ny sabany ka maty izy.


i Tselèka, ilay Hamônita; i Naharay, avy any Beerôta, mpitondra ny fiadian’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià;


Ka hoy i Debôrà taminy: –Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà. Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin’i Baràka i Debôrà.


Ary rehefa hitan’ny vatan-dehilahy israelita fa maty i Abimelèka, dia samy nody any amin’ny fonenany avy izy.


Niantso mafy an’i Jônatàna sy ny mpanompony ireo miaramila filistinina ka nanao hoe: –Miakara mankatỳ aminay, fa misy zavatra holazainay aminareo. Dia hoy i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Miakara manaraka ahy fa efa natolotry ny TOMPO horesen’i Israely ireo.


Dia niakatra i Jônatàna, ka namikitra tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpanompony. Nasian’i Jônatàna ireo Filistinina ka lavo ary novitain’ilay mpanompo nanaraka azy kosa.


Io famelezana voalohany nafitsok’i Jônatàna sy ny mpanompony io, dia nahafatesana Filistinina roapolo lahy, voavono tao anatin’ny faritra sahabo ho ampahefatry ny hekitara.


Ka hoy i Saoly tamin’ireo miaramilany: –Ataovy ny fiantsoana anarana, ka jereo izay nitsoaka an-daharana. Dia natao ny fiantsoana anarana, ary tsapa ny tsy nahateo an’i Jônatàna sy ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany.


Hoy kosa ilay mpanompo namaly azy: –Ataovy izay mahadiavolana ny fonao; alao hery, fa vonona hanaraka anao aho na aiza na aiza alehanao.


Raha vao tonga tany amin’i Saoly i Davida, dia avy hatrany nikatroka niasa ho azy. Lehibe loatra ny fitiavan’i Saoly azy, ka dia izy no nataony mpitondra ny fitaovam-piadiany.


Andro iray ihany izany no nahafatesan’i Saoly mbamin’ireo zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fitaovam-piadiany ary ny miaramilany rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra