Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:53 - DIEM PROTESTANTA

53 Kanjo nisy vehivavy iray nanjera vato lehibe iray teo an-dohany ka nahavaky ny karandohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

53 Fa nisy vehivavy iray nanjera vato fikosoham-bary tamin’ny lohan’i Abimeleka ka nahavaky ny karandohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

53 Kanjo nisy vehivavy iray nanjera vato lehibe iray teo an-dohany ka nahavaky ny karandohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

53 Kanjo nozeran’ny vehivavy anankiray, vakim-bato fikosoham-bary ny lohan’i Abimeleka, ka vaky terỳ ny karandohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

53 Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin’ny lohan’i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

53 Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

53 Fa nisy vehivavy iray nanjera vato fikosoham-bary tamin’ny lohan’i Abimeleka ka nahavaky ny karandohany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:53
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa iza no namely an’i Abimelèka zanakalahin’i Jerobahala, tao Tebetsy? Moa tsy vehivavy anankiray no nanjera vato fikoseham-bary taminy avy teny ambony manda ka nahafaty azy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo?» Raha izany no tenin’ny mpanjaka, dia valio hoe: «Maty koa i Orià, ilay Hetita manamboninahitra».


Tsy izany mihitsy, fa misy lehilahy iray avy any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, atao hoe Sebà zanakalahin’i Bikrỳ izay efa nikomy hamely an’i Davida mpanjaka. Izy ihany no atolory ahy dia hiala amin’ny tanàna aho. Dia hoy ravehivavy tamin’i Jôaba: –Ao àry fa hatsipinay aminao ankoatra ny manda ny lohany.


Tsy loza va no anjaran’ny ratsy fanahy, ary fahoriana ho an’ny mpanao heloka?


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Ka hoy i Debôrà taminy: –Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà. Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin’i Baràka i Debôrà.


Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: ‹Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’ny tsiloko ka handoro hatramin’ny hazo sederan’i Libano aza!› »


Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’i Abimelèka ka handoro anareo mponin’i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an’i Abimelèka!


Ary tonga hatrany amin’ny tilikambo i Abimelèka mba hamely izany; dia nanatona teo am-baravarana izy mba handoro ilay tilikambo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra