Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Ny lanjan’ny volamena nangatahin’i Gidehôna dia nahatratra roapolo kilao. Nahazo izay firavaka sy kavina ary fitafiana jaky nentin’ireo mpanjaka midianita koa izy, ankoatra ireo rojo nandravaka ny vozon’ny ramevany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ny lanjan’ny kavina volamena nangatahiny dia volamena fitonjato sy arivo sekela, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ny kavina voavola ary ny lamba volomparasy izay teny amin’ireo mpanjakan’ny Midianita, ary koa ny ravaka izay teny amin’ny vozon’ny ramevany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ny lanjan’ny volamena nangatahin’i Gidehôna dia nahatratra roapolo kilao. Nahazo izay firavaka sy kavina ary fitafiana jaky nentin’ireo mpanjaka midianita koa izy, ankoatra ireo rojo nandravaka ny vozon’ny ramevany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan’ny pera-bolamena nangatahin’i Jedeôna, afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin’ny mpanjakan’i Madiàna, mbamin’ny fehivozona teny amin’ny vozon-dramevany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary ny lanjan’ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voa-vola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ireo mpanjakan’ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ny vozon’ny ramevany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ny lanjan’ny kavina volamena nangatahiny dia volamena fitonjato sy arivo sekela, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ny kavina voavola ary ny lamba volomparasy izay teny amin’ireo mpanjakan’ny Midianita, ary koa ny ravaka izay teny amin’ny vozon’ny ramevany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:26
14 Rohy Ifampitohizana  

Fony i Môrdôkay nivoaka ny lapa, dia akanjo lava vita rongony madinika miloko jaky no nanaovany, fanamiam-piandrianana fotsy sy volomparasy no nitafiany, ary satroboninahitra volamena lehibe no nisatrohany; koa faly sy ravo i Sosany iray vohitra.


Manao firakotra ho an’ny tenany izy; ny fitafiany dia rongony fotsy sy volomparasy.


Amin’izany andro izany, dia hoesorin’ny Tompo ny haingo rehetra fampiasan’ny andriambavilanitr’i Tsiôna, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana;


Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ôfira, izay namboarin’ny mpanao asan-tanana sy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.


Rongony madinika misoratsoratra avy any Ejipta no natao lain-tsambonao mba ho faneva hamantarana anao. Lamba miloko volomparasy sy jaky avy any amin’ny nosy Sipra no natao labasy hiarovana ny entanao.


Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin’ny hanim-py isan’andro.


Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohan’i Jesoa; ary nampitafîny lamba jaky Izy.


Tamin’izay dia nivoaka nankeo alatrano i Jesoa, misatroka fehiloha tsilo sy mitafy lamba jaky. Dia hoy i Pilato tamin’ny vahoaka: –Indro ny Lehilahy!


Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla; teny an-tanany kosa nisy tsatokaty volamena feno fanazimbazimbana, dia ny zava-maloto vokatry ny fijangajangàny;


dia volamena sy volafotsy; vatosoa sy perla; lamba rongony madinika sy lamba volomparasy; lamba landy sy lamba jaky; hazo mani-pofona isan-karazany; fanaka isan-karazany vita amin’ny ivoary sy hazo sarobidy mbamy halimo sy vy ary vatokaranana;


sady hanao hoe: «Indrisy! Indrisy! Ry tanàna lehibe, izay nitafy lamba rongony madinika sy lamba volomparasy ary lamba jaky, sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla!


Dia hoy i Zebaha sy i Tsalmonà tamin’i Gidehôna: –Aoka ny tenanao mihitsy no hamono hahafaty anay, satria adidin’ny lehilahy mahery fo ny manao izany! Dia nitsangana i Gidehôna ka namono hahafaty ireo mpanjaka roa lahy; ary nalainy ny firavaka nihantona teny am-bozon’ireo ramevany.


Ka hoy ny navalin’ny Israelita an’i Gidehôna: –Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin’ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain’ny isan’olona tamin’ny babony avy.


Ary ny volamena dia nanamboaran’i Gidehôna efôda izay napetrany tao Hofrà tanànany. Ary notompoin’ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efôda izany, ka tonga fandrika ho an’i Gidehôna sy ny ankohonany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra