Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Ary ny volamena dia nanamboaran’i Gidehôna efôda izay napetrany tao Hofrà tanànany. Ary notompoin’ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efôda izany, ka tonga fandrika ho an’i Gidehôna sy ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Dia nanaovan’i Gideona efoda ireo ka nataony tao an-tanànany, tao Ofra; ary ny Israely rehetra dia nankany ka nijangajanga nanaraka izany efoda izany; tonga fandrika tamin’i Gideona sy ny ankohonany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Ary ny volamena dia nanamboaran’i Gidehôna efôda izay napetrany tao Hofrà tanànany. Ary notompoin’ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efôda izany, ka tonga fandrika ho an’i Gidehôna sy ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Dia nataon’i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’i Gideona sy ny ankohonany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Dia nanaovan’i Gideona efoda ireo ka nataony tao an-tanànany, tao Ofra; ary ny Israely rehetra dia nankany ka nijangajanga nanaraka izany efoda izany; tonga fandrika tamin’i Gideona sy ny ankohonany izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:27
26 Rohy Ifampitohizana  

Niharoany ny hafa firenena sady nianarany ny fanaony;


Nozimbainy tamin’ny nataony koa ny tenany fony izy nivadika tamin’ny Tompo Andriamaniny.


Indro very izay mihataka aminao ary aringanao izay rehetra mandao Anao.


Aza avela honina ao amin’ny taninareo ireny fandrao mitarika anareo hanao fahadisoana amiko; satria raha manao fanompoam-pivavahana amin’ny andriamaniny ianareo, dia hanjary fandrika ho anareo izany.»


Noraisin’i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin’ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe: –Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!


Ary haka vady amin’ny zanany vavy ireo zanakalahinareo, ka ireo vehivavy ireo dia hitarika ny zanakalahinareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin’ireo andriamaniny.


Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Ny firàvany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firàvany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


satria ilay toerana hofidiny eo amin’ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan’ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.


Aoka hofongoranareo tsy hisy antra mihitsy ny firenena rehetra izay hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo; ary aza tompoinareo ny andriamaniny, fa ho fandrika hampanompo sampy anareo ireny.


Ny sarin-tsampy voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo; aza tsiriritinareo na alainareo ho anareo ny volafotsy na volamena izay eo amin’ireny sarin-tsampy ireny, fandrao ho fandrika hampanompo sampy anareo izany: eny, zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny rehetra ireny.


Fa ity lehilahy atao hoe Mikà ity dia nanana toeram-pivavahana iray sady efa nampamboatra koa efôda mbamin’ny terafima; ary ny zanany lahy anankiray no natokany ho mpisorona.


Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.


Ary niakatra izy dimy lahy nisafo ny faritr’i Laîsy ka nitsofoka tao an-trano ary naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika. Ny mpisorona tamin’izay dia teo am-bavahadin’ny trano niaraka tamin’izy eninjato lahy nirongo fiadiana;


Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin’ny mponina amin’ity tany ity fa tokony handrava ny alitarany. Kanjo tsy nanaraka ny teniko ianareo! Ahoana izao nataonareo izao?


Noho izany tapa-kevitra Aho fa tsy handroaka azy eo anoloanareo. Ho fandrika hamely anareo izy; ary ho longoa hahavoa anareo koa ny andriamaniny.


Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.


Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.


Ny lanjan’ny volamena nangatahin’i Gidehôna dia nahatratra roapolo kilao. Nahazo izay firavaka sy kavina ary fitafiana jaky nentin’ireo mpanjaka midianita koa izy, ankoatra ireo rojo nandravaka ny vozon’ny ramevany.


Resin’ny Israelita hatreo ny Midianita ka tsy nahatraka tamin’ny fahareseny intsony; koa nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona nahaveloman’i Gidehôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra