Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ka hoy ny navalin’ny Israelita an’i Gidehôna: –Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin’ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain’ny isan’olona tamin’ny babony avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Dia hoy izy ireo: Eny, homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona ka samy nanipy kavina izay avy tamin’ny babony teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ka hoy ny navalin’ny Israelita an’i Gidehôna: –Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin’ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain’ny isan’olona tamin’ny babony avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ka hoy ny olona: «Omenay an-tsitrapo raha izany». Sady namelatra lamba izy ireo ka samy nanipy ny peratra azony tamin’ny babo avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ny babony teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Dia hoy izy ireo: Eny, homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona ka samy nanipy kavina izay avy tamin’ny babony teo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:25
3 Rohy Ifampitohizana  

Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.


Saingy hoy indray i Gidehôna taminy: –Izaho anefa te hangataka zavatra aminareo: aoka ianareo samy hanome ahy haba iray, nalaina tamin’ny babonareo avy! Ny Midianita manko dia nitondra haba volamena toy ny lehilahy rehetra monina any an-taniefitra.


Ny lanjan’ny volamena nangatahin’i Gidehôna dia nahatratra roapolo kilao. Nahazo izay firavaka sy kavina ary fitafiana jaky nentin’ireo mpanjaka midianita koa izy, ankoatra ireo rojo nandravaka ny vozon’ny ramevany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra