Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Saingy hoy indray i Gidehôna taminy: –Izaho anefa te hangataka zavatra aminareo: aoka ianareo samy hanome ahy haba iray, nalaina tamin’ny babonareo avy! Ny Midianita manko dia nitondra haba volamena toy ny lehilahy rehetra monina any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary mbola niteny taminy koa i Gideona hoe: Hangataka zavatra iray aminareo aho: Aoka samy hanome ahy kavina avy amin’ny babony avy ianareo. Nanana kavina volamena mantsy ireny satria Ismaelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Saingy hoy indray i Gidehôna taminy: –Izaho anefa te hangataka zavatra aminareo: aoka ianareo samy hanome ahy haba iray, nalaina tamin’ny babonareo avy! Ny Midianita manko dia nitondra haba volamena toy ny lehilahy rehetra monina any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia ianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin’ny babony avy». Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ny babony avy hianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Ary mbola niteny taminy koa i Gideona hoe: Hangataka zavatra iray aminareo aho: Aoka samy hanome ahy kavina avy amin’ny babony avy ianareo. Nanana kavina volamena mantsy ireny satria Ismaelita.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:24
17 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,


Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.


Izao no lisitry ny taranak’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, naterak’i Hagara ilay Ejiptianina mpanompovavin’i Sarà.


Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Jismahela araka ny laharan’ny nahaterahany: i Nebaiôta sy i Kedara, i Adbeèla sy i Mibsàna,


Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.


Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.


Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.


Ary hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely: –Ampahatsiahivo an’i Bena-Hadada izay voalazan’ny ohabolana hoe: «Aoka izay vao miainga hiantafika tsy hirehareha toy ny efa avy nandresy.»


Dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy ny Israelita ka nangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptianina.


Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin’i Aharôna.


Noraisin’i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin’ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe: –Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!


Nalaky nivily hiala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!»


Ny firàvany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firàvany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.


Ka hoy ny navalin’ny Israelita an’i Gidehôna: –Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin’ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain’ny isan’olona tamin’ny babony avy.


Ary haka amin’ny mofo sy ny rano ary ny hena izay efa nomaniko ho an’ny mpanety ondriko ve aho, ka hanome izany ho an’olona izay tsy fantatra fiaviana akory!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra