Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Tsia, tsy ho mpanjakanareo na ny tenako na ny zanakalahiko, fa ny TOMPO no ho mpanjakanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa hoy i Gideona taminy: Tsy hanapaka aminareo aho, ary tsy hanapaka aminareo koa ny zanako; NY TOMPO ihany no hanapaka aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Tsia, tsy ho mpanjakanareo na ny tenako na ny zanakalahiko, fa ny TOMPO no ho mpanjakanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Hoy i Jedeôna taminy: «Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa i Iaveh ihany no hanjaka aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Fa hoy i Gideona taminy: Tsy hanapaka aminareo aho, ary tsy hanapaka aminareo koa ny zanako; NY TOMPO ihany no hanapaka aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:23
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPO no mpanjaka mandrakizay mandrakizay; ho fongotra amin’ny taniny ny mpanompo sampy.


Hifaly anie ny vahoaka Israely, fa ny Tompo no Mpanao azy; hiravo anie ny terak’i Tsiôna, fa Izy no mpanjakany!


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao sady tsy niantsoana ny anaranao intsony! Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!


Izahay dia tsy manao jadona aminareo ny amin’izay tokony hinoanareo, satria efa tsara orina amin’ny finoana ianareo; fa miara-miasa aminareo izahay hampandroso ny hafalianareo.


tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry;


Ary nifanontany ny foko tao Gilehada sy ny mpitarika azy ka nanao hoe: –Iza no lehilahy sahy hanapoaka ady amin’ny Hamônita? Izany lehilahy izany no ho filohan’ny mponina rehetra eto Gilehada.


Koa isaky ny manangana mpitsara ho azy ny TOMPO, dia nomba izany mpitsara izany ka nanafaka ny Israelita tamin’ny fahefàn’ny fahavalony nandritra ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Fa onena azy ny TOMPO, rehefa nitaraina izy noho ny nafitsok’ireo mpampahory sy mpampijaly azy.


Taorian’izany dia hoy ny Israelita tamin’i Gidehôna: –Aoka ianao no hanjaka aminay ary ny zanakalahinao sy ny zafinao no handimby anao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny Midianita.


Fa ankehitriny kosa ianareo dia efa nandà ny Andriamanitrareo Izay namonjy anareo tamin’ny andro mahory sy fijaliana rehetra, ka hoy ianareo taminy: «Omeo mpanjaka izahay!» Noho izany, dia mankanesa ianareo eo anatrehan’ny TOMPO araka ny fokonareo sy fianakavianareo avy.


Kanjo rehefa hitanareo fa avy hanafika anareo ny Nahasy mpanjakan’ny Hamônita, dia hoy ianareo tamiko: «Mila mpanjaka izahay!»; toy ny hoe tsy mpanjakanareo ny TOMPO Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra