Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Taorian’izany dia hoy ny Israelita tamin’i Gidehôna: –Aoka ianao no hanjaka aminay ary ny zanakalahinao sy ny zafinao no handimby anao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Hoy ny lehilahin’ny Israely tamin’i Gideona: Aoka ianao sy ny zanakao ary ny zafinao no hanapaka aminay fa namonjy anay tamin’ny tanan’ny Midianita ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Taorian’izany dia hoy ny Israelita tamin’i Gidehôna: –Aoka ianao no hanjaka aminay ary ny zanakalahinao sy ny zafinao no handimby anao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia hoy ny lehilahy amin’i Israely tamin’i Jedeôna: «Aoka hanjaka aminay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny tanan’i Madiàna».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia hoy ny lehilahy amin’ny Isiraely tamin’i Gideona: Manapaha anay hianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ny tànan’ny Midiana hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Hoy ny lehilahin’ny Israely tamin’i Gideona: Aoka ianao sy ny zanakao ary ny zafinao no hanapaka aminay fa namonjy anay tamin’ny tanan’ny Midianita ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:22
7 Rohy Ifampitohizana  

Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.


Fantatr’i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.


Dia hoy i Zebaha sy i Tsalmonà tamin’i Gidehôna: –Aoka ny tenanao mihitsy no hamono hahafaty anay, satria adidin’ny lehilahy mahery fo ny manao izany! Dia nitsangana i Gidehôna ka namono hahafaty ireo mpanjaka roa lahy; ary nalainy ny firavaka nihantona teny am-bozon’ireo ramevany.


Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Tsia, tsy ho mpanjakanareo na ny tenako na ny zanakalahiko, fa ny TOMPO no ho mpanjakanareo.


Kanjo rehefa hitanareo fa avy hanafika anareo ny Nahasy mpanjakan’ny Hamônita, dia hoy ianareo tamiko: «Mila mpanjaka izahay!»; toy ny hoe tsy mpanjakanareo ny TOMPO Andriamanitra.


Hoy ireo taminy: –Indro, efa antitra ianao izao, ry Samoela, nefa ny zanakao tsy mba nanahaka anao, koa anendreo mpanjaka izahay hitondra anay, tahaka ny an’ny firenen-kafa rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra