Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 7:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary fony tonga teo amin’ny toby i Gidehôna, dia nisy lehilahy iray nitantara ny nofiny tamin’ny namany hoe: –Nanonofy aho, ka hitako fa nisy mofo ôrza iray nikodiadia namaky ny tobintsika Midianita; nahavoadòna tranolay anankiray izany ka nampiongana azy hivadika ambony ambany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Rehefa tonga tao i Gideona, indro, nisy lehilahy nitantara nofy tamin’ny namany ka niteny hoe: Nanonofy aho ka indro, nisy silaka mofo varimbazaha hono nikodiadia ho eo amin’ny tobin’ny Midianita ka nankeo amin’ny tranolay iray, dia nandona azy ka nampivadika azy ambony ambany ary nianjera ny tranolay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary fony tonga teo amin’ny toby i Gidehôna, dia nisy lehilahy iray nitantara ny nofiny tamin’ny namany hoe: –Nanonofy aho, ka hitako fa nisy mofo ôrza iray nikodiadia namaky ny tobintsika Midianita; nahavoadòna tranolay anankiray izany ka nampiongana azy hivadika ambony ambany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Tonga teo i Jedeôna ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin’ny namany anankiray nanao hoe: «Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin’ny tobin’i Madiàna, dia tonga hatrany amin’ny lay, dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ny tobin’ny Midina ka nankamin’ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Rehefa tonga tao i Gideona, indro, nisy lehilahy nitantara nofy tamin’ny namany ka niteny hoe: Nanonofy aho ka indro, nisy silaka mofo varimbazaha hono nikodiadia ho eo amin’ny tobin’ny Midianita ka nankeo amin’ny tranolay iray, dia nandona azy ka nampivadika azy ambony ambany ary nianjera ny tranolay.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 7:13
10 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa izay noheverin’izao tontolo izao ho adala no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin’izao tontolo izao ho osa no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka;


Niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita ka nanirahany mpamonjy, dia i Ehoda, lehilahy kavia, izay zanak’i Gerà avy amin’ny fokon’i Benjamîna. Dia nalefan’ny Israelita i Ehoda mba hitondra fanomezana ho an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.


Ary i Samgary, zanakalahin’i Hanata, no nandimby an’i Ehoda. Nahafaty ny Filistinina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka nanafaka ny Israelita ihany koa.


Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà.


Ka hoy i Debôrà taminy: –Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà. Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin’i Baràka i Debôrà.


Dia novalian’i Gidehôna hoe: –Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an’i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin’ny fokon’i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon’ny raiko.


Ary ny Midianita sy ny Hamalekita ary ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia niparitaka teny amin’ny lemaka fa marobe tahaka ny valala; ny ramevany dia tsy hita isa fa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.


Fa namaly azy ilay namany ka nanao hoe: –Tsy zavatra hafa no asehon’izany fa ny sabatr’i Gidehôna, ilay Israelita zanakalahin’i Jôasy. Efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany isika miaraka amin’ny toby manontolo.


I Zebaha sy i Tsalmonà tamin’io dia tao Karkôra niaraka tamin’ny andian-tafiny 15 eo ho eo. Izay no sisa tamin’ny tafik’ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana, satria nahafatesana andian-tafika 120 nisy vatan-dehilahy kinga famely sabatra avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra