Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 5:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra kosa anie i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita! Eny, hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra an-day anie izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie i Jaela, vadin’i Hebera kenita! Eny, hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra kosa anie i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita! Eny, hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra an-day anie izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Hosoavina noho ny vehivavy i Jahela vadin’i Hebera, Kineanina; hosoavina noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie i Jaela, vadin’i Hebera kenita! Eny, hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie izy!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 5:24
7 Rohy Ifampitohizana  

ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!


Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony ary hideran’ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!


Niditra tao an-tranon’i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe: –Mifalia, ry nohasoavin’ny Tompo! Momba anao hatrany Izy!


ka nanandra-peo niantso mafy hoe: –Nombàn’Andriamanitra fitahiana amin’ny samy vehivavy ianao, ary nombàny fitahiana koa Ilay haterakao!


I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra.


Ary hoy izy tamin-dravehivavy: –Mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta! Dia nanokatra ny siny hoditra misy ronono i Jahela ka nampisotro azy; avy teo i Siserà dia norakofany bodofotsy indray.


Fa rano no nangatahin’i Siserà; nefa ronono kosa no nomeny azy, dia rononomandry tao anaty tsatokaty marevaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra