Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:36 - DIEM PROTESTANTA

36 Takatry ny Benjaminita tamin’izay fa resy tokoa izy. Nanao tari-dositra ny Israelita, satria niantehitra tamin’ireo miaramila nafeniny manodidina an’i Gibehà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy. Ny lehilahin’ny Israely dia nanao tari-dositra niala tamin’i Benjamina satria natoky ny vela-pandrika izay napetrany teo akaikin’i Gibea izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Takatry ny Benjaminita tamin’izay fa resy tokoa izy. Nanao tari-dositra ny Israelita, satria niantehitra tamin’ireo miaramila nafeniny manodidina an’i Gibehà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 Koa hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy; fa ny lehilahy amin’i Israely no nihemotra teo anatrehan’i Benjamina dia noho ny fitokiany ny otrika napetrany hamely an’i Gabaà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Ary hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin’ny Isiraely nanao tari-dositra tamin’ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin’i Gibea izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

36 Hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy. Ny lehilahin’ny Israely dia nanao tari-dositra niala tamin’i Benjamina satria natoky ny vela-pandrika izay napetrany teo akaikin’i Gibea izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:36
2 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra