Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitsara 20:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ary NY TOMPO namely an’ny Benjamina teo anoloan’Israely, ary tamin’izany andro izany i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Israely lehilahy zato sy dimy arivo sy roa alina; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan’ny Isiraely, ary tamin’izany andro izany ny taranak’i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:35
5 Rohy Ifampitohizana  

dia vetivety ny fireharehan’ny olon-dratsy ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mpivavaka.


Tamin’izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin’ny tanàna manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin’i Gibehà izay nanao fanisa-miaramila koa.


Koa nisy andiany folo ny vatan-dehilahy voafantina, avy amin’i Israely manontolo, no tonga teo anoloan’i Gibehà. Nangotraka ny ady, nefa tsy nampoizin’ny Benjaminita ny fahavoazana hihatra aminy.


Takatry ny Benjaminita tamin’izay fa resy tokoa izy. Nanao tari-dositra ny Israelita, satria niantehitra tamin’ireo miaramila nafeniny manodidina an’i Gibehà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra