Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Dia namaly azy i Mikà hoe: –Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Hoy izy: Nalainareo ny andriamanitro izay namboariko ary nalainareo koa ny mpisorona; koa inona intsony no mba ho ahy? Ahoana no itenenanareo amiko hoe: Maninona ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Dia namaly azy i Mikà hoe: –Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary hoy izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa hianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona hianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Hoy izy: Nalainareo ny andriamanitro izay namboariko ary nalainareo koa ny mpisorona; koa inona intsony no mba ho ahy? Ahoana no itenenanareo amiko hoe: Maninona ianao?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:24
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary ankehitriny mandeha mody tokoa ianao satria manina ny akanin-drainao, kanefa nahoana no nangalarinao ireo sampiko?


I Rahely anefa no naka ireo sampy ka nametraka azy tao ambanin’ny laselin’ny rameva dia nipetraka teo amboniny. Ka rehefa nisava ny lay manontolo i Labàna, dia tsy nahita na inona na inona.


Dia nirehi-pahatezerana tamin’i Amatsià ny TOMPO, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy hanontany azy hoe: –Nahoana ianao no mivavaka amin’ny andriamanitr’ireo hafa firenena, dia andriamanitra izay tsy naharo ny olony tamin’ny tananao akory aza?


Ho tahaka azy anie izay manao azy sy izay rehetra mitoky aminy!


Hisy ady hamely ny reniranony, ka ho ritra ireo! Satria tany be sarivongan-tsampy io, dia sary mahatsiravina sady mahatonga izay manompo azy hirediredy.


Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.


Kinanjo nijangajanga i Ôhôlà na dia efa Ahy aza. Maimay izy tamin’ireo lehilahy sakaizany, dia ny Asirianina


Kanefa hitanareo sy renareo izay ataon’ity Paoly ity: ambarany fa tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanan’ny olombelona; ary olona maro no voataonany, tsy eto Efeso ihany, fa saiky manerana an’i Azia.


Fa io vehivavy io no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, ary nahaboboka ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divaim-pijangajangàny.


Dia hoy i Mikà anakampo hoe: «Azoko antoka izao fa hanisy soa ahy ny TOMPO, satria ity levita ity no efa tonga mpisoroko.»


Fa ity lehilahy atao hoe Mikà ity dia nanana toeram-pivavahana iray sady efa nampamboatra koa efôda mbamin’ny terafima; ary ny zanany lahy anankiray no natokany ho mpisorona.


Ary nony nihorakoraka nanjohy ny Danita izy, dia nisampotina kosa ireto ka nanontany an’i Mikà hoe: –Inona no nahatonga anao namory olona maro toy izao?


Fa hoy ny Danita taminy: –Aoka tsy handre ny fitarainanao intsony izahay, fandrao hisy ho sosotra aminay ka hamely anareo; dia ianao no hahatonga fahafatesana ho an’ny tenanao sy ny ankohonanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra