Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Fa hoy ny Danita taminy: –Aoka tsy handre ny fitarainanao intsony izahay, fandrao hisy ho sosotra aminay ka hamely anareo; dia ianao no hahatonga fahafatesana ho an’ny tenanao sy ny ankohonanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo ka hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Fa hoy ny Danita taminy: –Aoka tsy handre ny fitarainanao intsony izahay, fandrao hisy ho sosotra aminay ka hamely anareo; dia ianao no hahatonga fahafatesana ho an’ny tenanao sy ny ankohonanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Fa hoy ny taranak’i Dana taminy: «Aza ampandrenesina anay intsony ny feonao, sao hiantoraka aminareo ny olona tezitra ka hahafaty ny ainao sy ny ain’ny ankohonanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Dia hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo ka hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:25
6 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy aho hoe: Fantatrao tsara ny rainao sy ireo olony; fa kalaza ireo sady masiaka tahaka ny orsa very anaka any an-tsaha. Ary ny rainao dia lehilahy mpiady ka tsy mba miara-mitoetra amin’ny vahoaka nony alina.


Velona Andriamanitra Izay tsy manome rariny ahy, velona ilay Tsitoha Izay mameno ahy fahoriana mangidy ka manao izao fianianana izao aho:


Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy; ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy na koa fanakona-masoandro mahatahotra.


Dia namaly azy i Mikà hoe: –Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?


Ary nanohy ny diany ihany ny Danita. Rehefa hitan’i Mikà kosa fa nahery noho ny tenany ireo, dia niverin-dàlana nody tany aminy izy.


Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra