Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 14:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia niainga hankany Timnà i Samsôna. Nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka akaikin’i Timnà izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia nidina i Samsona sy ny ray aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia niainga hankany Timnà i Samsôna. Nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka akaikin’i Timnà izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Dia nidina nankany Tamnà i Samsôna, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Nony tonga teo amin’ny tanimboalobok’i Tamnà izy dia indro nisy vanton-diona nierona nandroso hifanehatra aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ny tanimboaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia nidina i Samsona sy ny ray aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 14:5
10 Rohy Ifampitohizana  

I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià. Izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy tao Môaba; izy koa no nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala.


I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià: izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy avy any Môaba; izy koa ilay nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala.


Hodiavinao ny liona sy ny menarana hohitsahinao ny tigra sy ny dragona.


Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.


Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,


dia miolaka miankandrefana ho amin’ny tendrombohitra Sehira, mandalo ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jeharima izay antsoina koa hoe Kesalôna, midina ho any Bety-Semesa, ary mandalo any Timnà.


Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.


Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin’i Samsôna mba hahazoany miady amin’ny Filistinina, satria tamin’izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin’ny Israelita.


Fa nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak’osy; saingy tsy nambarany tamin’ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.


dia nanenjika azy aho ka mikapoka azy ary manaisotra ny haza mby am-bavany; ary raha miantsambotra amiko izy, tonga dia raisiko amin’ny vavany, dia vonoiko ho faty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra