Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 14:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Fa nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak’osy; saingy tsy nambarany tamin’ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nosamatsamahiny toy ny fanasamaka zanak’osy ilay liona tanora, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy nambarany tamin’ny rainy na tamin’ny reniny ny zavatra izay nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Fa nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak’osy; saingy tsy nambarany tamin’ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh i Samsôna, ka nosamatsamahany hoatra ny fanasamaka zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany, ary tsy nambarany tamin-drainy aman-dreniny akory izany nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia nilatsaka tamin’i Samsona ny Fanahin’i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin’ny rainy na tamin’ny reniny izay efa nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nosamatsamahiny toy ny fanasamaka zanak’osy ilay liona tanora, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy nambarany tamin’ny rainy na tamin’ny reniny ny zavatra izay nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 14:6
21 Rohy Ifampitohizana  

Hodiavinao ny liona sy ny menarana hohitsahinao ny tigra sy ny dragona.


Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo sady tsy hanao kabary eny an-dalambe.


Raiso ny fampianarako ary mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; ary dia hahita fialan-tsasatra ao anatinareo ianareo.


Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,


Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly dia mpanota hatrany am-boalohany. Ary ny anton’ny nisehoan’ilay Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.


Ary nirotsaka tao amin’i Jiftà ny Fanahin’ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin’i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin’ny faritanin’ny Hamônita.


Fony i Samsôna tao an-tobin’i Dana, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’ny TOMPO.


Dia nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelôna izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an’ireo nilaza ny valin’ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsôna ka niakatra nody tany amin’ny rainy.


Dia niainga hankany Timnà i Samsôna. Nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka akaikin’i Timnà izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.


Ary nanohy ny diany i Samsôna ka nandeha nifampidinika tamin’ilay tovovavy filistinina, fa nahafinaritra azy razazavavy.


Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin’ny Filistinina.


Koa namely azy i Samsôna ary nampitondra faisana azy tanteraka. Rehefa izany, dia lasa izy nonina teo an-tsefatsefak’ilay harambato tao Hetama.


Dia nihiaka i Samsôna hoe: –Aoka aho ho faty miaraka amin’ny Filistinina! Dia naronjiny mafy ny andry ka nianjeran’ny tempoly ireo mpanjaka sy izay rehetra tao. Koa betsaka lavitra ny olona matiny tamin’ny fahafatesany noho izay matiny tamin’ny androm-piainany.


Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.


Ka hoy i Saoly taminy: –Nambarany taminay fotsiny fa efa hita indray ireo borikivavy.


Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.


Raha nandre izany i Saoly, dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra, ary nirehi-pahatezerana mafy.


Indray andro, dia hoy i Jônatàna zanakalahin’i Saoly tamin’ny zatovolahy mpitondra ny fitaovam-piadiany: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ny miaramila Filistinina erỳ ampita erỳ. Nefa tsy nampandre an-drainy i Jônatàna.


Anio ihany no hanoloran’ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra