Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:39 - DIEM PROTESTANTA

39 Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin’izay dia nanjary fanao teo amin’ny Israelita izao fomba izao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Rehefa tapitra ny roa volana dia niverina tany amin’ny rainy izy ka nataony taminy araka ny voadiny izay nataony. Tsy mbola nahalala lahy na oviana na oviana izy. Hatramin’izay dia tonga fanao teo amin’ny Israely

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin’izay dia nanjary fanao teo amin’ny Israelita izao fomba izao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no niavian’izao fanao amin’i Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanaka vavin’i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin’ny Isiraely

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

39 Rehefa tapitra ny roa volana dia niverina tany amin’ny rainy izy ka nataony taminy araka ny voadiny izay nataony. Tsy mbola nahalala lahy na oviana na oviana izy. Hatramin’izay dia tonga fanao teo amin’ny Israely

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:39
12 Rohy Ifampitohizana  

I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Aza anaovanareo fomba toy izany ilay TOMPO Andriamanitrareo, satria zavatra mahatsiravina sy halan’ny TOMPO no nataon-dry zareo tamin’ny andriamaniny fa hatramin’ny zanany lahy sy vavy aza dia nodorany forehitra tao anaty afo hanajana ny andriamaniny!


dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.


Dia nomen’i Jiftà lalana handeha mandritra ny roa volana izy. Koa nandeha izy sy ireo namany ka nitomany teny an-tendrombohitra noho ny tenany tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.


Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin’i Jiftà, ilay Gilehadita.


sy voady izao: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin’ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.»


Tsy niaraka tamin’ny vadiny i Hanà tamin’ity indray maka ity; fa hoy izy taminy: «Aoka aloha hisara-nono ny zaza, vao hoentiko hiseho eo anatrehan’ny TOMPO, ary dia hitoetra eo mandrakizay izy.»


Ary rehefa nisara-nono ny zaza, dia nentiny nankany an-tranon’ny TOMPO tao Silao, na dia mbola vao mena vava aza. Ireto no nentin’izy mivady niaraka tamin’ny zaza: vantotr’ombilahy telo taona sy lafarinina iray gony ary divay eran’ny siny hoditra.


Koa anjarako kosa ny manolotra azy ho an’ny TOMPO; eny, mandritra ny androny rehetra, dia ho an’ny TOMPO izy. Dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy mianakavy.


Fa i Samoela kely kosa nisalotra efôda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra