Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: –Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Koa rehefa nahita azy i Jefta dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Indrisy, ry zanako vavy! Tena mitondra fahoriana ho ahy ianao! Isan’izay mampidi-doza ahy ianao! Fa efa niloa-bava tamin’NY TOMPO aho ka tsy azoko iverenana intsony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: –Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! efa nampitanondrika ahy indrindra hianao, ary hianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

35 Koa rehefa nahita azy i Jefta dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Indrisy, ry zanako vavy! Tena mitondra fahoriana ho ahy ianao! Isan’izay mampidi-doza ahy ianao! Fa efa niloa-bava tamin’NY TOMPO aho ka tsy azoko iverenana intsony izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:35
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida tamin’i Jôaba sy ny olona rehetra niaraka taminy: –Triatriaro ny akanjonareo, ka mitafia gony ary aoka hanao fisaonana an’i Abinera ianareo. Nanaraka taorian’ny tranovorona i Davida mpanjaka.


Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin’ny tany ka niankohoka


tsy miraharaha izay lavin’Andriamanitra, fa manaja an’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO, tsy mivadika amin’ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;


Koa mitondra sorona eto an-tranonao aho hanefako ny voady nataoko taminao,


dia izay voady notononiko fony izaho tao an-katerena.


I Josa zanakalahin’i Nona sy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè izay samy anisan’ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany


Dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona ry zareo ka niteny hoe: –Nanao velirano mihitsy izahay fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty an’i Paoly.


Dia nandriatra fitafiana i Josoa sy ireo loholon’i Israely ka nanosom-bovoka ny lohany sady niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra