Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary raha tonga tany Mizpa ho any an-tranony i Jefta, dia indro, nivoaka hitsena azy ny zanany vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy. Vavy tokany izy io fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zanani-vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary raha tonga tany Mizpa ho any an-tranony i Jefta, dia indro, nivoaka hitsena azy ny zanany vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy. Vavy tokany izy io fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:34
18 Rohy Ifampitohizana  

Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida, izay efôda rongony fotsy ihany no nisalorany.


Miderà Azy amin’amponga sy dihy, Miderà Azy amin’ny jejilava sy sodina.


Ry ilay Andriamanitro Mpanjakako ô, marevaka ny dianao ho any an-Toeramasina.


Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.


Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony, ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin’ny fahoriany.


Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.


Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.


Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.


fa nanan-janaka vavy tokana tokony ho 12 taona ity lehiben’ny sinagôga ary narary efa ho faty razazavavy. Teny an-dalana ho any amin’i Jaîro, dia nifanety tamin’i Jesoa ny vahoaka.


Ary indro nisy lehilahy anankiray tamin’ny vahoaka nitaraina mafy hoe: –Mpampianatra ô, mihanta aminao aho, mba iantrao re ny zanako, fa lahitokana izy io!


i Mitsipè, i Kefirà, i Môtsà,


Ary nifanangona ny Hamônita ka nitoby tao amin’ny faritanin’i Gilehada; dia nifamory koa ny Israelita ka nitoby tao Mitsepà.


Dia nandeha niaraka tamin’ireo loholon’i Gilehada i Jiftà ka noraisin’ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepà, teo anatrehan’ny TOMPO, dia nohamafisin’i Jiftà ny teny rehetra efa nifanarahany tamin’ireo loholona.


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


ka miandrasa ao. Rehefa mivoaka hiara-mandihy ireo tovovavin’i Silao, dia mipoira avy tao anaty voaloboka ianareo, ka samia misambotra tovovavy iray avy; dia ento miaraka aminareo any amin’ny faritanin’i Benjamîna izy mba ho vadinareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra