Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:31 - DIEM PROTESTANTA

31 dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 dia ho an’NY TOMPO izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy rehefa miverina soa amantsara avy any amin’ny Amonita aho, ary hatolotro ho fanatitra dorana manontolo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 «Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna, dia ho an’i Iaveh ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 dia ho an’i Jehovah izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra odorana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 dia ho an’NY TOMPO izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy rehefa miverina soa amantsara avy any amin’ny Amonita aho, ary hatolotro ho fanatitra dorana manontolo izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:31
14 Rohy Ifampitohizana  

ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.


Ary nivoady tamin’ny TOMPO i Jiftà ka nanao hoe: –Raha hatolotrao tokoa eo an-tanako ny Hamônita,


Dia nihoatra ny sisin-tanin’ny Hamônita i Jiftà mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo.


sy voady izao: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin’ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.»


Koa anjarako kosa ny manolotra azy ho an’ny TOMPO; eny, mandritra ny androny rehetra, dia ho an’ny TOMPO izy. Dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy mianakavy.


Reraka mafy ny Israelita tamin’io andro io, satria efa norahonan’i Saoly tamin’ny fampitandremana hoe: «Ho voaozona anie izay manendry hanina alohan’ny hariva mandra-pahatò ny valifatiko amin’ny fahavalo!» Dia tsy nisy sahy nanendry hanina ny olon-drehetra.


Ary hoy i Saoly hoe: –Enga anie hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa aho, raha toa ka tsy hatao maty ianao, ry Jônatàna!


Fa i Samoela kely kosa nisalotra efôda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra