Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 13:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy, eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona*, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 13:26
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe: –Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra.


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.


Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.


Ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no Izy, ary «ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery» ary koa «tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.»


Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.


Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra tonga amin-kery mahagaga.


Amin’izay no hahitana ny Zanak’olona tamy voahodidin-drahona sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


ka nanao taminy hoe: –Ry lehilahy galileanina, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesoa Izay nalaina teo aminareo hakarina any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy nankany an-danitra.


Hisy baiko hatao antso avo ombàn’ny feon’arkanjely sy ny feon-trompetran’Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin’i Kristy no hitsangana ho velona voalohany;


Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay.


Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin’ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, izany tokoa!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra