Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 13:27 - DIEM PROTESTANTA

27 ary dia haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazantany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Amin’izay dia haniraka ireo anjely Izy ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 ary dia haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazantany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary amin’izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Amin’izay dia haniraka ireo anjely Izy ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 13:27
27 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.


Homeko taranaka ny firenen’i Jakôba sy ny fokon’i Joda. Ireny no ho tompon’ny tendrombohitro: ireo voafidiko no ho tompony, ireo mpanompoko no honina eo.


Ary nanontaniako izy hoe: –Ho aiza moa ianao? Dia hoy izy namaly ahy: –Ho any Jerosalema aho handrefy azy hahitana ny sakany sy ny lavany.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!


Hirahin’ny Zanak’olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin’ny Fanjakan’ny Zanak’olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,


Dia tahaka izany no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao; ho tonga ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny olo-marina,


Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo Andriamanitra, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidiny, dia hohafohezin’Andriamanitra ireo andro ireo.


Olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany manko no hijoro, ka haneho famantarana lehibe sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin’ny Zanak’olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.


Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo ny Tompo, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ireo olom-boafidiny, dia nohafohezin’ny Tompo ireo andro ireo.


Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


–Raiso ho anatra ity fanoharana avy amin’ny aviavy ity: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky izay ny fahavaratra.


Maty ilay mahantra, ka nentin’ny anjely ho eo anilan’i Abrahama; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina.


Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman’alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy?


Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin’ny mpiandry tokana.


ary tsy ho an’ny firenena jiosy ihany fa mba hanangona ho iray ny zanak’Andriamanitra efa niely.


Iza no hiampanga ireo olom-boafidin’Andriamanitra? Tsy misy, satria Andriamanitra no efa nanaiky azy ireo ho marina!


Na misy voaroaka any am-paran’ny tany aza ianareo, dia avy any no hangalan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy sy hanangonany azy


Olomboafidin’Andriamanitra sy voatokany ho Azy ianareo sady efa notiaviny. Noho izany, aoka ianareo hitafy hatsaram-po sy fiantrana, hamoram-po sy fanetrentena, fahalemem-panahy sy fahari-po.


Ny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika sy hanangonana antsika ho eo aminy, ry havana, dia izao no angatahinay aminareo:


Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin’Andriamanitra, mba hahazoan’ireo koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra maharitra mandrakizay.


Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany. Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra