Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 10:30 - DIEM PROTESTANTA

30 ka tsy hahazo injato henin’izany ankehitriny amin’izao etỳ izao, dia trano sy mpiray tampo sy reny sy zanaka sy tany, ombam-panenjehana ihany koa, ary hahazo ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany mbamin’ny fanenjehana ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 ka tsy hahazo injato henin’izany ankehitriny amin’izao etỳ izao, dia trano sy mpiray tampo sy reny sy zanaka sy tany, ombam-panenjehana ihany koa, ary hahazo ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao–dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana–ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany mbamin’ny fanenjehana ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:30
32 Rohy Ifampitohizana  

Hoy kosa i Amatsià tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Ka hatao ahoana ny amin’ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita? Dia novaliany hoe: –Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.


Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran’ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô, toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.


Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena, ary aleo mahazo fahaiza-manavaka toy izay volafotsy.


Ento manontolo àry ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko. Ary zahao toetra amin’izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo.


Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.


Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.


Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.


ka tsy hahazo be lavitra amin’izao etỳ izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy.


I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan’ny tempoly, teo amin’ny lala-mitafon’i Salômôna.


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Tamin’ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa.


Koa tamin-kafaliana no nialan’ny apôstôly teo amin’ny Fitsarana ambony, satria nataon’Andriamanitra mendrika halaim-baràka ho voninahitr’i Jesoa.


Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;


Satria fahafatesana no tambin’ny fahotana, dia ny fanomezan’Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.


na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.


Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy


Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin’ny alalan’ny fahasoavany


Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.


Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany;


Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.


Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.


Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Endrey ity haben’ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika: fa nantsoina hoe zanak’Andriamanitra isika, sady zanany tokoa! Izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy nahalala an’Andriamanitra.


Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin’ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin’i Satàna.


Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra