Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Marka 10:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano na mpiray tampo na reny na ray na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany noho ny Amiko sy ny Filazantsara,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano na mpiray tampo na reny na ray na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany noho ny Amiko sy ny Filazantsara,

Jereo ny toko dika mitovy

Marka 10:29
13 Rohy Ifampitohizana  

Tsy tokony halahelo izay fanaka ilaozany any izy, satria hipetraka amin’ny faritra lonaka indrindra eto amin’ny tany Ejipta manontolo.

ary hoentina eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena.

Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin’izany ary hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.

Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.

Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy.

Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakàn’Andriamanitra

Izany rehetra izany dia ataoko noho ny Vaovao Mahafaly mba hahatonga ahy ho mpiombona anjara amin’ny soa ampanantenainy.

ary manana faharetana ianao, ka mizaka ny mafy noho ny amiko sady tsy ketraka.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra