Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 1:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin’ny olona teo amin’i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon’ny demony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Nony hariva ny andro ka nilentika ny masoandro dia noentina tany Aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin’ny olona teo amin’i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon’ny demony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Nony hariva ny andro ka nilentika ny masoandro dia noentina tany Aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 1:32
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony no nentin’ny olona teo amin’i Jesoa; teny fotsiny no nataon’i Jesoa handroahana ireny fanahy ratsy ireny. Ary izay rehetra narary dia nositraniny avokoa;


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»


Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao.


Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan’ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an’ireo vahiny.


Dia nizaha taratra an’i Jesoa ny olona raha hanasitrana an’io marary io amin’ny andro sabata Izy, mba hahazoany miampanga Azy.


Vao maty kosa ny masoandro, izay rehetra nanana marary azon’ny aretina isan-karazany dia samy nitondra ny azy teo amin’i Jesoa. Nametrahany tanana tsirairay izy ireny, ka nositraniny.


Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra