Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:9 - DIEM PROTESTANTA

9 «Raha biby fiompy anisan’ireo fanolotra sorona ho an’ny TOMPO no atao voady, dia ho voatokana ho an’ny TOMPO avokoa ny biby rehetra omena amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Raha biby fiompy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO dia ho masina ho an’NY TOMPO izay rehetra omena amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 «Raha biby fiompy anisan’ireo fanolotra sorona ho an’ny TOMPO no atao voady, dia ho voatokana ho an’ny TOMPO avokoa ny biby rehetra omena amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 «Raha biby fanao fanatitra ho an’i Iaveh no nivoadiana, dia zava-masina izay rehetra homena an’i Iaveh toy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an’i Jehovah, dia ho masina ho an’i Jehovah izay rehetra omena amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an'i Jehovah, dia ho masina ho an'i Jehovah izay rehetra omena amin'izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Raha biby fiompy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO dia ho masina ho an’NY TOMPO izay rehetra omena amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Zava-doza ho an’ny olona ny mora miteny hoe: «Zavatra voatokako ho an’Andriamanitra ity», na ny mivoady ka avy eo vao mieritreritra.


Arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny nofy sy ny zava-poana. Koa Andriamanitra no hajao.


Tsy azo atakalo na amidy na afindra ny tany amin’io faritra izay manan-danja indrindra io, satria voatokana ho an’ny TOMPO.»


Tsy azo ovàna na atakalo izany, na tsara no hasolo ny ratsy na ratsy no hasolo ny tsara. Kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa.


«Raha mahantra kosa ilay olona nivoady ka tsy mahaloa izay vola voatombanao haloany, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay olona natokana ho an’ny Tompo; araka izay fari-pananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona ny vola haloa.


«Raha misy olona manao fanazimbana ny zavatra voatokana ho an’ny TOMPO ka manota tsy nahy momba izany, dia hitondra sorom-panonerana amin’ny TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, tombanana sekela volafotsy vitsivitsy araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina: sorom-panonerana izany.


Ianareo kosa manao hoe: «Na iza na iza hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra