Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Tsy azo ovàna na atakalo izany, na tsara no hasolo ny ratsy na ratsy no hasolo ny tsara. Kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ny ratsy na ny ratsy ho solon’ny tsara. Raha biby no atakalony biby dia samy ho masina izy sy ny takalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tsy azo ovàna na atakalo izany, na tsara no hasolo ny ratsy na ratsy no hasolo ny tsara. Kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloina biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roaroa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ny ratsy, na ny ratsy ho solon’ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina izy sy ny takalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:10
5 Rohy Ifampitohizana  

Tsy azo atakalo na amidy na afindra ny tany amin’io faritra izay manan-danja indrindra io, satria voatokana ho an’ny TOMPO.»


«Raha biby maloto tsy fanolotra sorona ho an’ny TOMPO kosa no atao voady, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay biby.


«Raha biby fiompy anisan’ireo fanolotra sorona ho an’ny TOMPO no atao voady, dia ho voatokana ho an’ny TOMPO avokoa ny biby rehetra omena amin’izany.


fa miroa saina sady mivadibadika amin’ny fiaimpiainany rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra