Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 16:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary ny fiangonan’ny Zanak’Israely dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Handray osy lahy hatao sorona noho ny ota izy sy ondralahy iray hatao sorona dorana avy amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny fiangonan’ny Zanak’Isiraely dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 16:5
14 Rohy Ifampitohizana  

Ombilahy fito mbamin’ny ondrilahy fito sy zanak’ondry fito no nentina hatao sorona dorana manontolo, ary nisy koa osilahy fito hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka sy ho an’ny vahoaka jodeanina sady hatao sorona fanadiovana ny tempoly; ka ny mpisorona, taranak’i Aharôna, no nasain’i Hezekià nanolotra ireo teo ambony alitaran’ny TOMPO.


Ny sorona natolotra tamin’io fitokanana io dia ombilahy zato sy ondrilahy roanjato ary zanakondry efajato; ary ny ho sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka Israely manontolo dia osilahy 12, izany hoe anankiray isam-poko.


«Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.


«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.


Avy eo nasain’i Mosesy nentina ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy.


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


ka hoy izy tamin’i Aharôna: –Makà ianao ombilahikely anankiray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy anankiray hatao sorona dorana manontolo, dia ombilahikely sy ondrilahikely izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy.


Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra