Levitikosy 16:4 - DIEM PROTESTANTA4 Akanjo lava voatokana, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hanaovany; kalisaonina, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hataony manolo-koditra; fehikibo, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hietrany; ary fehiloha, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hisatrohany: samy fanamiana voatokana ireo ka rehefa avy nandro i Aharôna vao hitafy azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Akanjo masina lava vita amin’ny lamba rongony no hiakanjoany, kalisaonina vita amin’ny lamba rongony no hataony manolo-koditra, fehikibo vita amin’ny lamba rongony no hifehezany, fehiloha lamba rongony no hisatrohany: Fitafiana masina ireo ka handro amin’ny rano izy vao hiakanjo azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Akanjo lava voatokana, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hanaovany; kalisaonina, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hataony manolo-koditra; fehikibo, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hietrany; ary fehiloha, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hisatrohany: samy fanamiana voatokana ireo ka rehefa avy nandro i Aharôna vao hitafy azy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 Ny tonîka masina vita amin’ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hietràny ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rehefa avy nandro tamin’ny rano izy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin’ny rano izy vao hiakanjo azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 Akanjo masina lava vita amin’ny lamba rongony no hiakanjoany, kalisaonina vita amin’ny lamba rongony no hataony manolo-koditra, fehikibo vita amin’ny lamba rongony no hifehezany, fehiloha lamba rongony no hisatrohany: Fitafiana masina ireo ka handro amin’ny rano izy vao hiakanjo azy. Jereo ny toko |
Ary rehefa hivoaka hankany amin’ny kianja ivelany izay misy ny sarambabem-bahoaka izy, dia hoesoriny ireo fanamiana nanaovany teo am-panatanterahana ny asany ka hapetrany ao amin’ny efitrano voatokana, ary hiakanjo fitafiana hafa izy; izany no tsy hampahitany loza ny vahoaka amin’ireny fanamiany ireny.
Dia indreo lehilahy enina nipoitra teo amin’ny vavahady ambony, izay tamin’ny lafiny avaratry ny tempoly, sady samy nitondra ny fitaovam-pandravàny avy. Nisy lehilahy iray niakanjo rongony teo afovoany sady mitondra fitaovam-panoratana teny amin’ny fehikibony. Niditra izy rehetra ka nijanona teo akaikin’ny alitara halimo.