Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 16:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharôna, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary izao no hoentin’i Arona raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharôna, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 «Ary izao no fomba harahin’i Aarôna raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Haka vantotr’ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary izao no ho entin’i Arona, raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: vantotr’ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary izao no hoentin’i Arona raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 16:3
13 Rohy Ifampitohizana  

«Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


«Dia hatolotr’i Aharôna ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.


Avy eo nasain’i Mosesy nentina ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy.


Dia nasain’i Mosesy nampanatonina koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ny ilay ondrilahy.


ka hoy izy tamin’i Aharôna: –Makà ianao ombilahikely anankiray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy anankiray hatao sorona dorana manontolo, dia ombilahikely sy ondrilahikely izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


Avy eo dia ny Israelita no ilazao hoe: «Makà ianareo osilahy anankiray hatao sorona fanalana ny ota; makà ombilahikely sy ondrilahikely anankiray avy, samy iray taona sady tsy misy kilema, mba hatao sorona dorana manontolo;


Indray mandeha monja no nidirany tao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia ampy; ary tsy mba ran’osilahy na ran-janakomby no nentiny hatolotra, fa ny ra nafoin’ny tenany no nentiny hatolotra ka nahazoany fanavotana mandrakizay ho antsika.


fa ao amin’ny tranolay faharoa kosa dia ny mpisorombe irery ihany no miditra ao indray mandeha isan-taona, sady mitondra ram-biby hatolony an’Andriamanitra ho fanalana ny hadisoana tsy nahy vitan’ny tenany sy vitan’ny vahoaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra