Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 16:6 - DIEM PROTESTANTA

6 «Dia hatolotr’i Aharôna ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia hampanatonin’i Arona ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany ka hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 «Dia hatolotr’i Aharôna ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hatolotr’i Aarôna ny ombalahy noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia hampanatonin’i Arona ny vantotr’ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 16:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa tapi-nihodina ny fanasana, dia nampiantsoin’i Jôba ny zanany mba hodiovina. Dia nifoha maraina be izy ny ampitso ka nanolotra sorona dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Jôba hoe: «Fandrao nanota na nandà an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.» Izany no nataon’i Jôba mandrakariva.


Homenao ombilahy iray ny Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, izay hany mahazo manompo Ahy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ho sorona fanalana ny ota io ombilahy io.


Rehefa tapitra ny herinandro ka mitehina ny andro fahavalo, dia hahazo manolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana eo amin’ny alitara ny mpisorona. Amin’izay dia ho sitrako ianareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharôna, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.


Halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


Avy eo i Mosesy nilaza tamin’i Aharôna hoe: –Manatona ny alitara, dia atolory ny anao ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo, ka ataovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka: atolory koa ny soron’ny vahoaka ary anaovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka izy, araka izay nandidian’ny TOMPO.


Tsy mba tahaka ireo mpisorombe hafa Izy, ka tsy mila hanolotra sorona isan’andro ho fanalana ny fahotan’ny tenany aloha, vao ny an’ny vahoaka. Indray mandeha monja no nanoloran’i Jesoa sorona, dia tamin’ny nanolorany ny tenany.


Indray mandeha monja no nidirany tao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia ampy; ary tsy mba ran’osilahy na ran-janakomby no nentiny hatolotra, fa ny ra nafoin’ny tenany no nentiny hatolotra ka nahazoany fanavotana mandrakizay ho antsika.


fa ao amin’ny tranolay faharoa kosa dia ny mpisorombe irery ihany no miditra ao indray mandeha isan-taona, sady mitondra ram-biby hatolony an’Andriamanitra ho fanalana ny hadisoana tsy nahy vitan’ny tenany sy vitan’ny vahoaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra