Kanefa ny zanakalahin’ireto mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty noho ny fahotan-janany, na ny zanaka noho ny fahotan’ny ray aman-dreny, fa ny olona dia hatao maty noho ny fahotan’ny tenany ihany».
Rehefa voarain’i Hilkià mpisorombe izany hafatra izany, dia nanambara tamin’i Safàna mpitantsoratra koa izy ny nahitany ny Bokin’ny Lalàna tao an-tranon’ny TOMPO; ary natolony azy ny boky ka novakiny.
Kanefa ny zanakalahin’ireo mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna, dia ny bokin’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon-janany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon-dray aman-dreniny; fa samy ho faty amin’ny fahotany avy ny olona.»
Rehefa nomena ny olona ny anjarany araka ny tarika sy fianakaviana teo amin’ny teraky ny firenena, dia navahana kosa ny sorona dorana manontolo hatolotra ho an’ny TOMPO, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy. Ary toy izany koa tamin’ny omby.
Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an’Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’i Mosesy.
Tamin’izany fotoanandro izany, dia novakîna ho ren’ny vahoaka ny teny raketin’ny bokin’i Mosesy; ka hita voasoratra tao fa ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra na oviana na oviana.
Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.
Amin’ny andro hitànareo ny ony Jôrdàna ho any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia vato lehibe no hatsanganareo ka holaloranareo sokay;