Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 2:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Tsy mba mifanosika izy, fa mandroso amin’ny lalany avy. Sahy misedra izay asehatra azy izy, fa tsy voasakan’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Tsy mifanosika izy fa samy mandroso amin’izay hitsiny; ary na dia manidina aza ny lefona dia tsy miala an-daharana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsy mba mifanosika izy, fa mandroso amin’ny lalany avy. Sahy misedra izay asehatra azy izy, fa tsy voasakan’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Tsy mba misy mifanosika izy, fa samy mizotra amin’ny lalany avy; mirimorimo eo afovoan’ny zana-tsipìka izy, ary tsy mba mandrava laharana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Tsy mifanosika izy, Fa samy mandroso amin’izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Tsy mifanosika izy fa samy mandroso amin’izay hitsiny; ary na dia manidina aza ny lefona dia tsy miala an-daharana izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 2:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.


Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.


Fa na izaho, na ny havako na ny mpanompoko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo mihitsy afa-tsy raha handro.


Toy izany no iarovan’Andriamanitra ny olona tsy ho hankany amin’ny fahaverezana ary amonjeny ny ainy tsy hiharan-tsabatra.


Fa raha tsy mety mihaino kosa izy, dia ho faty hiharan-tsabatra noho izy tsy manam-pahalalana akory.


ny valala, izay tsy mana-mpanjaka, nefa hain’izy rehetra ny miainga manao andiany;


Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,


Tsy misy olona mahatsiaro vizana akory eo aminy, tsy misy mitari-tongotra na rendremana resin-tory, tsy misy miboraka na ny fehikibony na ny fehikapany.


Tahaka ny lehilahy mahery ny fihazakazahany ary tahaka ny miaramila mpiady ny fianihany manda. Samy mandeha amin’izay hitsiny izy, fa tsy mivilivily lalana.


Mamakivaky ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ny manda; mianika ny trano izy ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra